Winamp Logo
Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité. Cover
Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité. Profile

Podcast pour la page RJL : une page qui apporte des réflexions en matière de spiritualité.

Malagasy, Religion, 2024 seasons, 167 episodes, 6 days, 15 hours, 21 minutes
About
Chaîne podcast pour la page facebook RJL - diffusion et archivage des vidéos au format audio.
Episode Artwork

[CA] MIRACLE SA HASARD SA SYNCHRONICITÉ ?

Ity catéchisme d'adulte ity dia ho famaliana ny fanontaniana napetrak'i Koto Lilahimahitsoambo tamin'ny fitantarany ny zavatra nitranga taminy nilazany hoe : fahagagagana sa kisendrasendra ny nifanenany tamina fianakaviana iray izay nanampy azy tamin'ny fotoana namparary ny zanany. Nanontany moa izy tamin'izay fotoana izay hoe : Fifandrifian-javatra ve ny nifanenany tamin'ireo olona ireo sa miracle ? Araka izany : Inona na Iza no ao ambadiky ny SYNCHRONICITÉ amin'ny toe-javatra toy izany ?
7/4/20241 hour, 35 minutes, 36 seconds
Episode Artwork

[HP] NY FIVAVAHANA ETO MADAGASIKARA : NATAON'NY MPANAO POLITIKA ANESTHÉSIE HO AN'NY VAHOAKA MALAGASY HAHATONGA AZY IREO HO VOAN'NY AMNÉSIE.

Rehefa be loatra ny ANESTHÉSIE atao amin'ny olona marary iray dia lasa voan'ny AMNÉSIE izy ka manjary misy perte de mémoire. Toy izany tsy misy valaka no anaovana ny vahoaka Malagasy, totofana ANESTHÉSIE, tampenana sparadrap ilay fery na feno nana aza. Mahavariana fa na dia mijaly sy fadiranovana toy ny inona aza ny Malagasy dia mora avily ny sainy ka lasa sahirana sy mitsinjo ireo izay efa be hatoka indray (le monde en l'envers). Ary ny mampalahelo dia ny FIVAVAHANA no nampesain'ny mpanao politika amin'izany.
6/28/20241 hour, 13 minutes, 51 seconds
Episode Artwork

[CA] NY FAHORIAN'NY SASANY FIFALIAN'NY SASANY

Masiaka sy ratsy fanahy ny olombelona. Raha misy olona manana fahoriana na misedra zava tsarotra eo amin'ny fiainany dia misy olona mikaroka sy misikotra ny anton'iny toy ny misikotra parasy ka tsy amelany raha tsy ahitany irika hahafahany mitsingoloka amin'izany mba hanalany ny stress sy frustration sy ny ngidin'ny afero amin'ny fiainany. Anisan'izany isika Malagasy hany ka tsy mahay manaja ny fisaonan'ny olona intsony fa sanatria toy ny VAUTOUR, zara aza misy faty hitangoronana hanaovana resaka hanampiana ny fahorian'ilay olona sy handetehana azy. Ohatra amin'izany izao ilay fahafatesan'ny vadin'ilay Pasteur malaza iray Marcello iny izay ahitana taratra ny tena toetran'ny kristiana.
6/21/20241 hour, 14 minutes, 46 seconds
Episode Artwork

[HP] KRISTIANA AHO VAO MALAGASY sa MALAGASY AHO VAO KRISTIANA ?

Hifandroritana be izany amin'izao vanimpotoana izao eo amin'ireo « EXTRÉMISTES » kristiana sy ireo « TRADITIONALISTES ». Noho izany dia ho resahintsika ato ireto : Ny fiheverana momba an'i Andriamanitra (Malagasy sy ny kristiana) ; Ny razambe sy ny finoana ; ary Ny fanjanahantany sy ny fivavahana kristiana. Ny fomba hitondrana ny laha-dinika dia « phénoménologie » manoloana ny « croyances ». Sary nindramina : https://dacb.org/stories/madagascar/nenilava/
6/7/20241 hour, 58 minutes, 28 seconds
Episode Artwork

[CA] MAMELA HELOKA !!!! ADY SAROTRA SAINGY MANAFAKA SY MANASITRANA

Ny fikendrena amin'ity catéchisme d'adulte anio ity dia ny fanazavana fa tsy '' EXIGENCE MORALE '' akory ny mamela heloka fa fitsinjovana ny tena mihitsy ara-psikolojika sy aram-pahasalamana. Vesatra sy entana tsy zaka raha toa ka ho fitsinjovana ny hafa fa tsy fitsinjovana ny tena.
5/31/20241 hour, 20 minutes, 29 seconds
Episode Artwork

[HP] SAVOIR VIVRE – VIVRE ENSEMBLE – TÉMOIGNAGE - AUTHENTICITÉ

Anisan'ny olana lehibe iray vokatry ny ''fondamentalisme'' ny tsy fananana ''équilibre'' manoloana ireo zavatra 4 tanisaina ireo ambony ireo hany ka lasa mivadika ho tsy fahalalam-pomba sy tsy fahaiza-miaina, manakaiky ny baribarihanina mihitsy ny toetsaina ''fondamentaliste'' kristiana.
5/24/20241 hour, 42 minutes, 57 seconds
Episode Artwork

[CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... - Part 3

Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ? (sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
5/10/202445 minutes, 26 seconds
Episode Artwork

[CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 2

Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ? (sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
5/10/20241 hour, 3 minutes, 38 seconds
Episode Artwork

[CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 1

Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ? (sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
5/10/20241 hour, 22 seconds
Episode Artwork

[HP] RAY AMAN-DRENY "TOXIQUES" (PARENTS TOXIQUES)

"Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahita soa ianao" Betsaka isika Ray aman-dreny no manararaotra io didy fahefatra io hi-exploité ka tonga hatramin'ny filazana fa SOLOTENAN' ANDRIAMANITRA eto an-tany ny Raiamandreny. Tsy tsapan'ny maro anefa fa lasa manimba sy mamotika mihitsy aza ny fiainan'ny zanatsika izany.
5/3/20241 hour, 50 minutes, 33 seconds
Episode Artwork

[CA] ETIKA KRISTIANA EEE, NORME ARAHINA EEEE, FAHAMASIANANA EEEE, AVY AIZA MARINA IZANY ? IZA NO NAMETRAKA AZY ?

Heno foana eo ambavan'ny " mpivavaka " ny hoe : TSY MENDRIKA NY TOY IZAO SY TOY IZAO AMIN'NY MAHA KRISTIANA ( fitafy, fiteny sns .. ). Dia samy mitompo teny fatratra, manao affirmation gratuite, mitanisa verset Dia tovonana anganombaviantitra sy lovan-tsofina mba hampatavy ny resaka. Andao resahana hoe : avy aiza ny source ? Inona no tanjona ?
4/26/20242 hours, 4 minutes, 2 seconds
Episode Artwork

MISY LOKO HITA MASO AZO TSAPAIN-TANANA TOY NY LOKON-DAMBA (CODE COULEUR) VE NY FANAHY ?

A- Ny RAD Toby lehibe 4 HONO no NANDRARA ny fisalorana ny lamba (FITAFY) MAINTY SY MENA satria hono sensible amin'ny fanahy ratsy (Ao amin'ny boky manga hono ny fanazavana izany). B- Ny loko MAINTY SY MENA (fitafy) hono dia LOKON'NY DEVOLY sy tena mahasarika dévoly. C- Akanjo mainty hono andramana anaovana rehefa manala devoly raha hisy devoly hivoaka. Akanjo mainty be sy mena midorehitra be entina manala devoly amin'ny marary any amin'ny Toby ahitanao ny vokany. Ndao resahana sy idirana lalina ny mahakasika izany rehetra zany ka ny hitondrana fampianarana dia ny hoe : 1- Tena niteny izany tokoa ve ireo Raiamandrenim-pifohazana sa apetraka eo ambavan'i Mosesy toy mahazatra ? 2- Ahoana tokoa moa zany no tantaran'ny robe liturgique sy toge ? Symbolisme avy aiza no entiny ? 3- Fa inona izany no tena hatahoran'ny devoly ka hialany amin'ny olona iray ?
4/17/20241 hour, 56 minutes, 39 seconds
Episode Artwork

[CA] MPANAO ASA SOA HONO ! TSIA - MANAO ASA TSARA KA !

Ny rehetra no afaka manao asa soa fa tsy ny rehetra no afaka manao ASA TSARA. Mpanao asa soa dia : > tratry ny aretin'ny Syndrome des sauveurs sy ny > hoe "ceux qui paient dominent". > Se racheter une conscience et blanchiment des mœurs. [source]
4/14/20241 hour, 31 minutes, 47 seconds
Episode Artwork

[HP] GUERRE DE COMMUNICATION ET INTERNET À DEUX VITESSES

👉 Inona no ao ambadika ? Inona no tanjona ? 👉 VAHAOLANA tokoa sa famonoana afo tsy hisian'ny OLANA ho an'antokon'olona vitsivitsy ?! 👉 Opérateur économique vé sa opérateur politique nareo ry telma sy orange ary airtel ? 👉 Nahoana no atao sesitany eto amin'ny taniny sy hatokamonina ny Malagasy ? Mba hahafahana manandevo azy sy hanaovana azy ireo toy ny ampondra ka hanaiky izay rehetra atao aminy ? Tandremo aza sao may ny afo hatsangana ka hitetika arivo maty iray alina eeeeee. Hum ...
3/31/20241 hour, 25 minutes, 45 seconds
Episode Artwork

NY FAHANGINAN'I JESOSY MANOLOANA NY TABATABAN'NY MPAMPAHORY AZY.

VATSIM-PANAHY - TORITENY FOHY Alakamisy Masina 2024
3/28/202424 minutes, 9 seconds
Episode Artwork

[CA] EGLISIOLATRIE ? Inona koa zany ?

Eny teny tsy mbola misy izany fa niniako noforonona mihitsy. Teny roa natambatra EGLISE + IDOLÂTRIE. Rehefa ny Trano Fiangonana na ny rafi piangonana no lasa sakana tsy hahitana AN'ANDRIAMANITRA Dia Tonga sampy mihitsy. Fa inona mihitsy no Zavatra mitranga amin'izao mahatonga ahy milaza izany ?
3/24/20241 hour, 7 minutes, 24 seconds
Episode Artwork

[CA] PERVERS NARCISSIQUE - 2è partie

Olona misy dévoly vé sa Marary saina ny olona PN ? Inona no tokony atao amin'izy ireny ? Avoaka dévoly ? Sa andosirana ? Raha sendra azy ianao , inona no tokony ataonao ? Plan : 00:02:01 comprendre la personne, ce qu'elle vit 00:10:16 problème structurel et non comportemental 00:19:50 pas de solution préfabriquée; accompagnement; échecs 00:23:43 se sent comme de la m**de, vermine; orgueil comme cache-misère 00:26:00 Jehovah mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa (Jer. 17, 9-10a) 00:28:40 Atolory Ahy ny fonao 00:30:41 Salamo 139, 2-6 00:36:19 mila mitandrina sy miaro tena 00:38:47 confronter, constat personnel, travail de mirroir 00:42:20 démolir son auto-idôlaterie et son orgueil 00:48:47 ny vavaka atao ho an'ireny olona ireny 00:52:10 changement de vision, de paradigme = asan'A/tra 00:53:32 iza no olona hitia ahy amin'izao faharatsiako izao? 00:54:22 Jesosy irery ihany no mitita olona tsy azo tiavina intsony 00:58:46 olana fototra: orgueil alimenté par la vanité 01:02:07 fehin'izay voalaza rehetra izay Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742
3/17/20241 hour, 7 minutes, 12 seconds
Episode Artwork

[CA] PERVERS NARCISSIQUE - 1ère partie

Olona misy devoly ve sa Marary saina ny olona PN ? Inona no tokony atao amin'izy ireny ? Avoaka devoly ? Sa andosirana ? Raha sendra azy ianao, inona no tokony ataonao ? Plan : 00:00:00 tari-dresaka 00:02:18 fahanana ny ondrin'Andriamanitra 00:07:46 trouble de personnalité 00:12:39 angle théologique de l'enjeu : combat spirituel 00:16:49 avy aiza ny teny hoe "narcissisme" 00:23:23 définition psychologique 00:24:35 fonctionnement d'un PN 00:27:12 l'être humain en devenir 00:31:20 low self-esteem 00:34:04 victime 00:41:21 raisonnement : il faut détruire la victime 00:42:16 fehiny 00:45:01 fiangaviana: zarao au maximum 00:46:14 inversion de personnalité avec sa victime 00:49:51 dimension spirituelle = miditra ny asan'Andriamanitra Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742
3/17/202450 minutes, 10 seconds
Episode Artwork

POSITION AN'I RJL MANOLOANA NY LOI CASTRATION CHIMIQUE ARY NY PHÉNOMÈNE DE VIOL ETO MADAGASCAR

Nirongatra izay tsy izy ny FANOLANANA tato ho ato ary ny mampalahelo dia zazakely avokoa ny ankamaroan'ireo voaholana ary amin'ny fomba feno habibiana mihitsy izay mampieritreritra hoe inona no ao ambadika ankoatry ny filan'ny nofo ? Matetika ny victime sy ny mpanolana dia OLONA SAHIRANA foana no ASEO vahoaka. Donc na ny informations aza dia EFA misy sivana mialoha sahady nefa iaraha mahalala fa MAHAKASIKA NY OLONA REHETRA ITY RESAKA ITY na " olona manan-katao " na " olona ambony manana ny toerany " na " olo-malaza " na " vahiny " sns... Nefa toa ianiana tsy lazaina sy afenina ary toa tsy mety tratra ? Natao ho an'iza koa Ilay lalàna nivoaka ? Amin'iza no ampiharina dia amin'iza no tsy ampiharina ? Inona no ambadik'ireny ? Inona no mety ho VAHAOLANA FOTOTRA tsy maintsy resahana mialohan'ny LOI DE CASTRATION manoloana izao Zava-misy izao ?
3/10/20241 hour, 25 minutes, 37 seconds
Episode Artwork

[HP] RENOUVELLEMENT DE LA CLASSE POLITIQUE A MADAGASCAR

Obsolète daholo ireo rehetra ireo na ireo au pouvoir, na ireo opposition ... C'est toujours les même refrains ... disque loaka.
3/1/20241 hour, 24 minutes, 5 seconds
Episode Artwork

[CA] MIFINDRA AMIN'NY ALALAN'NY FANAMBADIANA VE NY FINOAN'NY OLONA IRAY ?

Nisy question réponse nataonay teto amin'ny page RJL ary nisy mpanaraka ny pejy nametraka fanontaniana : "za kristiana, n olontiako silamo . tena.mifankatia zahay nefa n RADniko ts manaik , n any aminy tsy mis olana . IZY nefa manaik n ijanonako ho kristiana f tsy voatery ifindr silamo anaraka azy za... mikas hivady zahay nef problem B n am RAD .. ahoana pasteur n FAHitanao azy ?" Maro no nanao commentaires tamin'izany niakatra sy sorena ary tezitra. Noho izany Dia nanapa-kevitra izahay fa raisina thème manokana mihitsy ity lohahevitra ity... Tsy ny Silamo ihany no raisiko fa na SILAMO , NA ATHÉE, NA MPANDALA FOMBAN-DRAZANA , NA INONA NA INONA FINOANY.
2/25/20241 hour, 32 minutes, 5 seconds
Episode Artwork

[CA] HÉDONISTE ?

Tsy afaka misitraka sy mankafia fiainana ve izany ny MPINO sa kilasiana ho HÉDONISME izany ? Araka ny hoe : SAINO NY ZAVATRA ANY AMBONY Dia midika ve izany hoe ADINOY NY FIAINANA ETO AN'-TANY ? Ny mandalo sy miserana ve midika fa tsy misy ilàna azy ? PS : Ho an 'izay olona mora madilo sofina sy mora tohina dia hiangaviana sahady tsy hanaraka mba tsy haha tafitohina anao (Puritains sensibles à conseiller de s'abstenir).
2/11/20241 hour, 14 minutes, 13 seconds
Episode Artwork

[HP] LES LARMES DU PEUPLE MALAGASY À ANOSY

TRIBUNAL MALAGASY = SAHAN-DRANOMASO LAPAN'NY FITSARANA HOE ? TENA LAPA TOKOA, MILA MIANKOHOKA SY MANDOHALIKA VAO MAHAZO IZAY ILAINA RAHA HAHAZO AZA ... Voa miteny hoe : tribonaly Malagasy dia mihivingivina ny ankamaron'ny olona manana raharaha eny amin'ny fitsarana indrindra ireo vahoaka madinika tsy mandady harona . VERY NA TAKOMANA NY MARINA
2/2/20241 hour, 42 minutes, 3 seconds
Episode Artwork

[CA] NY BAIBOLY VE TENIN'ANDRIAMANITRA ?

Après ny resaka nifanaovanay sy Koto Lilahimahitsoambo dia MAROBE NY OLONA TAFITOHANA rehefa niteny Aho fa ny BAIBOLY DIA TSY TENIN'ANDRIAMANITRA. Tery ny fotoana moa ka NORMAL raha misy ny tafitohana saingy ho an'ireo mpanaraka ny page sy ireo TENA MIHAINO TSARA dia mahazo tsara ny Zavatra nolazaina. Efa nanaovako débat tamina mpanompon 'Andriamanitra 2 teto izy ity saingy averiko indray fa amin'ity kosa dia ho hazavaina amin'ny ANTSIPIRIHINY mihitsy.
1/28/20242 hours, 12 minutes, 48 seconds
Episode Artwork

[HP] TSY MILA ANAO HO AVOCAT-NY (MPISOLO VAVANY) ANDRIAMANITRA

Mafampana ny ady hevitra aram-pinoana tato ho ato teto amin ' ny facebook, ary mifanasa vangy mihitsy aza ka samy miezaka mafy handesohana ny finoan'ny hafa, satria izay no heveriny andresena lahatra ny olona hanaraka an'Andriamanitra araka ny fiheverany sy ny famaritany. MANANA DROIT TSY HINO AN' ANDRIAMANITRA NY OLONA.
1/21/20241 hour, 26 minutes, 43 seconds